Andriamanitra ao amin' ny hindoisma

Ny finoana ny andriamanitra ao amin' ny hindoisma dia miovaova arakaraka ny firehana sy ny sampana hita ao aminy. Amin' ny maha sady fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiaina ny hindoisma dia isan-karazany ny fomba finoana ny andriamanitra: ao ny henôtheisma, mônôteisma, pôliteisma, panenteisma, panteisma, pandeisma, mônisma, agnôstisisma, ateisma sns. Ireto ny andriamanitra malaza ao amin' ny hindoisma: Brahma, Vishnu, Shiva, Shakti, Durgâ, Surya, Ganesh ary Kartikeya.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search